Hymne n° 8
Evanjely
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany
MG
📖 Jo. 3, 16-18
✦ ✦ ✦
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’i Nikôdema hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana”. — Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao ry Kristy!