Hymne n° 6
Vakiteny faharoa - Korintiana II
Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty
MG
📖 2 Kôr. 13, 11-13
✦ ✦ ✦
Ry kristianina havana, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny olomasina rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina! — Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!