Hymn'AllLitorjia 31/05/2026 › Vakiteny voalohany - Boky Eksaody
Hymne n° 4

Vakiteny voalohany - Boky Eksaody

Eks. 34, 4b-6. 8-9

📖 Eks. 34, 4b-6. 8-9
✦ ✦ ✦

Tamin’izany andro izany, dia nifoha maraina koa i Môizy, niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’ny Tompo azy; nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa. Dia nidina tao anatin’ny rahona ny Tompo ka niara-nijanona taminy teo, sy nanonona ny anarana hoe: Iaveh! Tompo! Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe: “Izaho no Iaveh Tompo, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana”. Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy, dia niankohoka, nanao hoe: “Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka ity. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay”. — Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

← Retour à Litorjia 31/05/2026