Hymn'AllLitorjia 31/05/2026 › Tantano hahalala ny Ray izahay
Hymne n° 10

Tantano hahalala ny Ray izahay

Fihirana Hasina 165

🎵 Ré majeur 📂 Ranom-bavaka MG
✦ ✦ ✦

Tantano hahalala ny Ray izahay, Tompo ô, Tantano hahalala ny Ray izahay e. * Solontenan’Andriamanitra eto an-tany ny Eglizy; koa mivavaha mba haka tahaka an’Andriamanitra izy: hiezaka handroso fahamasinana ka ho be fitiavana sy fiantrana ny mpanota, ary hampiray ny kristianina rehetra ho fianakaviam-be entanim-pitiavana. * Mivavaha ho an’ireo mpitondra vahoaka ara-nofo, mba hirotsahan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, sy handre ny fitiavan’Andriamanitra, ka na tsy mazava aminy aza ny finoana kristianina, mba hampian’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina izy, hampiray ny vahoaka amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana, mba hiadanan’ny ambanilanitra. * Mivavaha ho an’ireo mbola tsy mahalala an’Andriamanitra marina sy ireo mbola mitotototo diso lalana mitady Azy, mba hiseho aminy Andriamanitra, ary mba hasehon’izay rehetra efa mino, na amin’ny teniny na amin’ny ataony. * Ny fianakaviana rehetra dia tokony ho taratry ny fianakavian’Andriamanitra: koa angataho mba hanjakan’ny fifankatiavana sy ny firaisam-po amam-panahy.

← Retour à Litorjia 31/05/2026