Hymn'AllLitorjia 31/05/2026 › Zaho mino an'Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy
Hymne n° 9

Zaho mino an'Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy

Fihirana Hasina p. 161

🎵 Sol majeur 📂 Fiekem-pinoana MG
✦ ✦ ✦

'Zaho mino an'Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Andriamanitra tokana, tokana Olona telo. 'Zaho mino an'Andriamanitra Ray mahefa be fitiavana, Nanao ny tany aman-danitra e, Na ny hita maso na ny tsy hita, 'Zaho mino an'Andriamanitra. 'Zaho mino an'Jesoa Mpamonjy Naterak'i Maria Virjiny, Nijaly sy maty ho antsika e, Fa nitsangana tamin'ny maty ô, Ary niakatra any amin'ny Ray. 'Zaho mino ny Fanahy Masina Avy amin'ny Ray sy ny Zanaka, Sy Loharanon'aina e, Mpanamasina ny fanahy ô, Mendrika haja sy voninahitra. 'Zaho mino ny Eglizy masina 'Zay manerana ny tany, 'Zaho mino ny batemy tokana e, 'Zay manala ny fahotana ô 'Zaho miandry ny fiainan-ko avy.

← Retour à Litorjia 31/05/2026