Hymne n° 3
Voninahitra anie ho an'ny Ray ao ambony
Fihirana Hasina p. 151
🎵 Fa majeur 📂 Voninahitra
MG
✦ ✦ ✦
Voninahitra anie, voninahitra anie Ho an'ny Ray ao ambony tsy taza-maso etý; Fiadanana anie, fiadanana anie Ho an'ny olona tiany, namindrany fo. 1 Midera anao izahay, Mankalaza anao, mitsaoka anao, Mihoby ny hasinao, Misaotra anao 'zahay. (Voninahitra) 2 Ry Tompo Andriamanitray ô, Rainay ianao, Mpanjakanay ianao, Mahefa ny zava-drehetra: Ny tany sy ny lanitra. (Voninahitra) 3 Ry Jesoa Tomponay ô, Zokinay ianao fa Zanaky ny Ray, Ianao manala ny ota, Ka mamindrà fo aminay. (Voninahitra) 4 Ianao irery no Tompo, Ambony indrindra, ankavanan'ny Ray, Miaraka amin'ny Fanahy, Ka omem-boninahitra. (Voninahitra)