Hymn'AllLitorjia 31/05/2026 › Miantso anao 'zahay, ry Tompo
Hymne n° 1

Miantso anao 'zahay, ry Tompo

Fihirana Hasina p. 50

🎵 Sol majeur 📂 Fidirana MG
✦ ✦ ✦

1. Miantso anao 'zahay, ry Tompo Fa mitady ny Fanahy hanavao ny taninay e, Izy rivotra mahery mampijoro sy mandavo Ka matahotra izahay sao alavony tokoa 'Zay naorinay rehetra Tebitebinay rehetra 'zany tanisaina izany e Koa aza esorina aminay ny Fanahinao ry Tompo ô Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao Hisantaranay sahady ô 'zany fiadananao 2. Miantso anao 'zahay, ry Tompo, Fa mitady ny Fanahy hanavao ny herinay, Izy rano manan-kery hitondra aina sy handrava Ka matahotra izahay sao ho ravany tokoa 'Zay mba nianteheranay

← Retour à Litorjia 31/05/2026