Hymne n° 7
HATAKA
🎼 TOMAVO MG
✦ ✦ ✦
Ou ou ou ou Vonjeo ka tahio Madagasikara-nay Fenoy ny fitiavanao Ry Jehovah Ray ô Miantso Anao zahay Vonjeo ka tahio Madagasikara-nay Fenoy ny fitiavanao Safotry ny halotoana Ny fiainanay ety, Korontana sy adiady lava izao, izany no hitanay ety Sasatra sy torovana zahay ry Tompo tia ô Fenoy fanantenana avy Aminao izahay Hiadananay eo anilanao Ref: Omeo anay hatrizay ny fo madio toy ny Anao Fenoy ny fitiavanao ary fanahy vaovao Mba raiso ry Tompo tia ô ekeo Ny fanirianay hatramin'izao Fa vonon'izahay mba hijoro ho Anao Ho miaramilanao Tompo ô, ekeo Ou ou ou ou Vonjeo ka tahio Madagasikara-nay Fenoy ny fitiavanao